07-tsy apokalypsy aho, fa mpanaraka ny emission nareo matetika, izao ny
olako, efa manambady aho kanefa tsy mety hadinoko mihintsy ilay sipako
voalohany ! (lehilahy aho)
Woaouuu ! vehivavy no matetika tratran’izany olana izany, fa
sambasamba vao nisy lehilahy. Misaotra ihany koa fa mba tena tsy mialonjafy
marina ny radio fanambarana.
Izao r’ise a ! Tsy voatery ho hadino avokoa akory ireo olona izay
niarahana fahiny ! fa indraindray mba tsaroana ihany, saingy tandremo sao
mampihena ny fitiavanao ny vadinao izany, na koa mahatonga anao handeha
hijangajanga, marina fa J.K irery ihany no mahavaha mivantana ny olana, saingy
ireto misy torohevitra tsotra mety ahatonga anao hitia bebe kokoa ny
vadinao :
Diniho tsara ny vadinao, fantaro ireo zavatra mahafinaritra (REHETRA) ataony
anao , na ireo toetra mahafinaritra itiavanao azy , izay tinao hatao tamin’ilay
sipanao taloha dia ataovy amin’ny vadinao kosa, dia ISAORY ny tompo hoe
« misaotra anao aho ry Tompo fa nomenao ity vadiko ity, fa fantatro fa
matoa ity no lasa vadiko dia satria izay no tena mahasambatra ahy, fa mety ho
idiran-doza na ho ratsy noho izao sns
aho raha ilay sipako taloha no lasa vadiko) mdr ! mba sangy ny ahy
e ! fa matoa ianareo roa no tsy nivady dia satria hoy ny Tompo hoe :
tsy mety ! » Fa ilay vadinao izao no tena « am le Oui » ho
anao ! ankafizo izy e ! dia ho hadinonao tsikelikely ilay
talou !
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire