lundi 11 février 2013

04- Tsy rarahiany mihintsy aho! afaka mitory fitiavana ve ny vehivavy?


04-Fanotaniana : salut, misy olona tiako , kanefa izy tena tsy miraharaha ahy mihintsy , inona no ataoko ? miandry fotsiny ve ? afaka mitory fitia ve ny vehivavy raha hita fa tena sarokenatra ilay lehilahy ?

Ny mety aminao dia manotany ireo tanora izay mahalala tsara ny tantaran’i Rota, saingy ity misy torohevitra kely na izany aza ; tsy mety amin’ny fombantsika tantsinanana ny vehivavy mitory fitia mivantana, saingy azonao atao kosa ny manao izay ahatsapany fa tinao izy (mahaiza micharme e !) rarahio izy, akaikezo izy, resaho izy fa aza tazanina fotsiny, mety ho tena tia tokoa anie izy e, saingy mety izay fitiavany anao izay mihintsy  no « mampivoraka » azy ka mahatonga azy tsy mahavita na inona na inona. (Misy hiran’i mamanay izay taloha hoe « nataoko foana , noho ianao, izay ihaonantsika tamin’iny lalana iny ») dia ataovy izay hihaonana sy ahitany anao matetika e ! Mamonje fivoriana sy fety isan-karazany (ie ! tsy fahotana izany !) dia tandremo koa anefa sahisahy loatra fa « matahotra » vehivavy sahisahy ny lehilahy sasany… bonne chance !

1 commentaire:

  1. Salama,

    Tsy voatery izay tianao akory no hatao sy ho azonao a. Tandremo tandremo.

    Ka sao dia mijabaka ka hanenina sy hitomany hoe: hay tsy anjara fa dia vita ny tantara.

    io mitovy @le mividy akanjo ihany io de le mampiady loko sy vidiny. De raha vao tsy maharitra ianao, ka mividy tampoka eo, dia afaka 1 na 5minitra eo dia mahita mora sy tsara. Eo vao hoe....tahkizay aho tamin'iny...tsy nijanona hividy...

    Mahaiza mifandray aminy tsara e, dia ho hitanao eny ihany hoe tia anao koa izy.

    RépondreSupprimer