09-fanotaniana :Te hiala ato antranonay aho, fa leo be ! inona
no ataoko ?
Sarotra be izany resaka izany, inona ilay mankaleo anao ?
fahantrana ? adilava ? bedy ? Samy mizaka an’izany daholo, na
izahay taloha aza ! fa izao :
Andraso kely aloha, aleo miresaka, resaho amin’i Neny na i Dada, na
mpanabe na havana
akaiky fa misy olana be zany ao matoa misy anakiray tsy tamana. Tsy afaka
manoro hevitra firy izahay satria tsy ampy ilay fanazavana , fa tsotra ihany no
lazaina : Tandremo , aza manao izany ! fa ho loza kokoa ny manjo raha
miala tao ianao ! Aleo miresaka sy mitady sosokevitra any amin’ny olona
(namana, mpanabe, havana
sns)
Salama,
RépondreSupprimerIanao ve aloha efa nanazava an-dry zareo an'izay mankaleo anao?
sa tsisy mety aminao izay ao an-trano fa mampitaha any @ny olona ianao? Tandremo
Hazavao amin'izy ireo izay olanao @fifandraisana ao an-trano. Mahaiza miresaka e.
Ity misy torohevitra milay be :
0/ Mahaiza misaotra an'Andriamanitra. Diniho io.
1/Raha tena Kristiana ianao, na koa hoe mba mivavaka ny RAR, dia tsarovy ny Lioka 8:22-32
ATAOVY EO ALOHAN'NY FIAINANAREO JESOA KRISTY DIA MILAMINA IO
Rehefa ataonareo any aoriana JKristy dia hisamboaravoara foana ny fiainanareo na hifakatia tahaka ny inona aza ianareo.
Nefa raha vao eo alohan'ny fiainanareo Jesosy : Milamina foana.
Izy ary efa nampanantena koa hoe "Mialoha anareo aho". Anao ny safidy : na mokondoha na Jesosy
EKEO IZY HIALOHA LALANA ANAO @zavatra rehetra, minoa ny teniNY. Efa nanandrana aho fa tena efficace IZY.
2- Ianao no manapa-kevitra ary miteny amin'ny RAR hoe: mila miresaka aminareo aho,fa misy zava-dehibe mihitsy tiako horesahina. (hihi)
Mino aho fa zavatra hafa no ao an'eritreritry ny RAR, amin'io fotoana io fa tsy ilay eritreretinao. Ny RAR mety hieritreritra hoe naditra tany indray ary ve ny zanako sa naninona, sa hanambady, sns. Ianao nefa @io zavatra hafa no horesahinao. hihi
Manana avantage ianao : sady manana fahasahiana no manana leadership sy communication
3/ Rehefa tsy mety ny RAR dia ity lazaina sady (mampanongo-tena ity a):
Isika ve milaza ho mino an'Andriamanitra, milaza fa mivavaka nefa jere ity isika (izaho)?