Mety ve ny miaraka kanefa
mifanalavitra ve ny toerana ?
« …Bonsoir
ianareo ! Saika mba hanotany fotsiny zah, ry zoky hoe, mety ve kay izany
olona 2 miaraka nefa tena mifanalavitra be mihintsy ny toerana ? misaotra
, dia bonne nuit ianaero… »
Izay no fanotaniana nalefan’ny namantsika
anakiray, ka izao no mety ho valiny….
Anisan’ny olana sedrain’ny mpifankatia ny
fisarahan-toerana, Ny hilazàna hoe mety ve sa tsy mety ve izany dia miankina
aminareo na ny anakiray aminareo roa ihany !
Raha olona
nivahiny teo aminao no niarahanao kanefa tsy maintsy hiverina any an-tany
lavitra misy azy izy, dia hoy aho hoe « ho sahirana ianareo », fa
« nankatia vahiny hono, ka mbola tia dia ilaozany » (Ohabolana Gasy
io). Ny fiarahana dia dingana iray hifankafantarana sy hanomanana ny tokatrano,
ahitana fifampiresahana, fifanampiana sy fifankafantarana ary fifampikasohana
ihany koa… koa raha lavitra be ny elanelana dia « malaza tsy ihinana toy
ny vilian-tsahona » fotsiny ilay fiarahana, tsimaintsy hisy anakiray ho
matiantoka eo, na ianao na izy !.
Raha efa niaraka elaela saingy tratry ny
« fisarahan-toerana mandalo », izany hoe nandeha kely izy fa
tsimaintsy mbola hiverina….
Raha izay
indray dia akao tsirony tsara ny fisarahan-toerana , ary kolokoloy tsara ny
fifandraisana (antso antarobia, sms, email, taratasy sns) fa raha tsy izay dia
ho sahirana kokoa ianareo rehefa mifankahita indray, tahaka ireny olona vao
hifankalala indray.
Fehiny :
Ilaina ny
mifankahita sy ny mifandray matetika raha vao mpifankatia, ilaina amin’ny
firoboroboan’ny fitiavana sy ny fizahan-toetra io, ka raha vao miandoha ny
fitiavana no misy avy hatrany ny fisarahan-toerana dia tena fahavoazana lehibe
tokoa izany, ho sarotra ny fikolokoloana ilay fitiavana.
Raha efa
niaraka ela kosa (ka mifankalala tsara) nefa tratry ny fisarahan-toerana
mandalo » (marihiko tsara hoe « mandalo ») dia ilaina ny mitana
ny dina sy ny toky izay nifanomezana, fa tsy mety ny manambàka na mamitaka ny
olon-tiana. Lasa sedra
tsimaintsy lalovana ilay fisarahan-toerana, ka ho « fety be » ny
fifankahitana ref veo !
Za zao lavitra be anazy...
RépondreSupprimerHi i Read this blog Article ‘its give me interesting information ,Really amazing Blog. i Get same information one another website you can visit it by clicking below link
RépondreSupprimerViagra Tablets in Pakistan