05- Fanotaniana : Zoky a ! mahazo miaraka amin’ny olona tsy
mpiara-mivavaka ve ? sady vitsy loatra ny lehilahy ato..
Ianao kosa e ! mbola betsaka no tsy manambady ato, ary betsaka amin’izireo
no « bandy bôgôsy sady be
detanty » fa aza maika manary toky,
mahita bandy mahafinaritra any ivelany indray dia mitady excuse a !
Ny tena marina dia tsy mamporisika anao hiaraka amin’ny olona tsy
mpiara-mivavaka aminao aho, indrindra raha fiangonana « mifoha » na « zandriny » no misy anao, dia hiteraka
fihemorana sy gidragidra eo amin’ny
fiainanao ny fiarahanao aminy, sady izy tsy resy lahatra amin’ny fitondran-tena
izay arahina ao ampiangonanareo ! idiran-doza kokoa eo ianao !. Ivereno
ny lesona mikasika ny fiarahana amin’ny olona tsy mitovy fomba amin’ny tena (Rota)
Amiko dia somary compliqué ilay izy.
RépondreSupprimerAzo atao izany SAINGY ...SAINGY ... SAINGY sarotsarotra na dia misy foana aza ny atao hoe exception.
Soso-kevitra :
1. Io Andriamanitra io dia Andriamanitra Tena Mahay. Anontanio isan'andro Andriamanitra hoe iny ve le izy sa tsia.
2. Aza miantehitra @tenananao sy ny sainao irery. Ento am-bavaka izy fa hahita valiny ianao na ENY na TSIA.
3. Mifampitondra am-bavaka ianareo roa: Raha tena mifankatia ianareo dia mifampitondra am-bavaka foana, sy mifampizara.
Iza moa no mahalala raha ianao io no fitaovana hitory filazantsara hanavotra an'le olona hiarahanao na le manodidina azy.
4. Hadihadio e, izahao toetra ary aza maimaika.
Tsy hadalan'ny razambentsika ny nananatra ny zanany hifanadihady izay hiaraka aminy.
Mazotoa e
Antra
Ahona zoky andry! ahona mitsy no tena fandehan'ny tovovavy ato an-tanana ireto, eto izy zao milaza fa tsy misy lela mintsy ato am-piangonana, fa in mintsy no tadiavin-dry zareo e? mora aminay nge ny maka any ivelany e! fa saingy izay le drafitra misy d mba hajaina OK
RépondreSupprimermisy antony kosa matoa misy miteny hoe "tsisy lehilahy" .... tsy ny lehilahy hoe lehilahy akory no tsy misy fa ao raha e!
RépondreSupprimerMiombon-kevitra @ Antra aho (fangà ianao praif?).
RépondreSupprimerDia somary tsindriko ilay hoe "aza maimaika".
Mandiniha tena tsara aloha dia mivavà @ Tompo fa Izy mahay mandamina ny zavatra rehetra ary dia hohitanao fa mahagaga ny fitondrany.
Fa ilay izy koa aloha ry zoky tsy hoe rehefa mpiara-mivavaka dia mety foana an! :)
mazava hoazy kosa fa tsy hoe rehefa mpiara-mvavaka dia mety avokoa, indraindray aza raha vao ratsy safidy d tena mitondra ny mangidy mihintsy...
RépondreSupprimer