lundi 18 mars 2013

NY TAPAKA AMBANINAREO

Feno clip vetaveta ny telé eto Madagasikara, mihira avokoa ny bodo sy adala, manimba ny sain'ny dimby sy fara....
NY TAPAKA AMBANINAREO
Ity mampandihy fitombenana ity
Dia saim-betaveta kanefa
tsikaritra
Fa na dia maro aza ireo izay tsy tia
D’ireny no avoakan’ny fahitalavitra
Heverin’ny tompon’ny fahitalavitra
Ve fa ireny no tian’ny rehetra
Ka alefan’ny foana mba hahafinaritra
Hitaiza ny saina ho tia vetaveta
Adinon’ny tompon’ny fahitalavitra
Fa samy olom-pady no mijery eo?
Ity ary mba tsetsatsetra tsy aritra
Ireny ary ve no mba kantonareo?
Ity misy hafatra omeko zareo
Indrindra ho an’ny
mpandihinareo
Ny loha sy ny saina no hetsiketseho
Fa aza ny tapak’ambaninareo

Rado
19 Avril 2005.

lundi 11 mars 2013

NANAO BAOLINA NY MPANAO POLITIKA

Zavatra nahafinaritra no nitranga teny amin'ny kianjan'ny Mahamasina omaly alahady 10 Martsa,
Nihaona tamin'ny ekipan'ny malok'ila ny ekipan'ny mpanao politika, ary isan'ny nanadray anjara sy vedety tamin'izany i Pasitera Mailhol, hafakely indray iny!
valin'ny lalao? Resy 5 sy 1 ny mpanao politika, izay tsy nahagaga! hahaha!
izany i dadapasy izany hita amin'ny sary izany!
fa tena hetsika nahomby iny nataon'ny scoop digital iny, ary ketrika tena tsy nisy naharaka fa hay io nofinofy sy resadresaka io kay azo tanterahina a! (hoe manao ahoana re raha ny mpanao politika no manao baolina eo Mahamasina e? hay tanteraka tokoa,)
tsy tonga firy ny mouvance Ravalomanana, i Andry Rajoelina koa tokony mba nanao mpiandry but, d mba natsiro kokoa ny lalao!

vendredi 15 février 2013

Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena

Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena

Saika lany vetivety ireo fimailo teny amin'ireo mpivarotra enta-madinika sy magazay lehibe teto an-drenivohitra omaly. Ny fetin'ny mpifankatia no anton’izany.
Fetin'ny fitiavana, tombony ho an'ny rehetra. Tsara tsena ny fivarotana fimailo teny amin’ireo toeram-pivarotana enta-madinika sy magazay lehibe eto an-drenivohitra, omaly. Tsy nahitana izany intsony teny amin'ny ankamaroan'izy ireo omaly antoandro. Karazana fimailo vitsivitsy lafo vidy kosa indray sisa no tazana teny amin'ireo magazay lehibe.
« Somary nampitomboinay ny isan'ny boatina fimailo nalaina tany amin'ny mpamongady tamin'ny alatsinainy teo, satria efa nampoizinay ny fahalanian'izany vetivety androany (omaly) amin'ny maha- fetin'ny mpifankatia azy », raha ny fanamarihana nataon-dRaherinarindra Jacky, mpivarotra enta-madinika eny Antani­mena.
« Maro ireo efa nividy fimailo, omaly (tamin'ny alarobia), ary mbola maro ihany koa ireo naka ny anjarany androany (alakamisy). Izay no nahalany tsy nisy intsony ireo fimailo namidinay », hoy koa Andria­naivo Marcelline, mpiasa amina magazay iray lehibe eto an-drenivohitra, nanamafy izany.
Amin'ny ankapobeny dia saika ny tovolahy manodidina ny 15 hatramin'ny 38 taona no nividy fimailo. Tsy nisy nety namaly ny antony nilàny ny fimailo kosa ireo tovolahy sendra hita nividy izany rehefa nanontaniana.
 
Rendrarendran'ny tanora
Ho an'ny mpivady sasany efa niteraka sy efa niaina an-taona maro dia « rendrarendra ho an'ny tanora ny fankalazana ny andron'ny 14 febroary ho fetin'ny mpifantakia… Tsy tokony havahana ny andro fanehoana fitiavana fa mandeha ho azy araka ny voady ho mandra-maty efa natao », raha ny nambaran-dRahari­jaona Bien-Aimé sy Razafi­nirina Dina izay nivady nandritra ny fito taona.
« Fianarana mikolokolo ny fitiavana sy ny fifankatiavana mba haharitra ny fankalazana sy ny fanamarihina ny andron'ny mpifankatia isan-taona fa tsy rendrarendra velively. Antoka iray ahafahana manavao indray ny voady sy ny toky efa natao izany », hoy kosa Andrian­jafilambo Faniry, tovolahy iray.
Source :Volana Rakotoharimanana

lundi 11 février 2013

L'avion de combat le plus cher du monde

INSOLITE L'avion de combat le plus cher du monde a du plomb dans l'aile


Le site web du Joint Strike Fighter F-35  

A 150 millions de livres pièce* (179 millions d’euros), on pouvait s’attendre à mieux. Le Joint Strike Fighter F-35 américain est l’avion de chasse le plus cher au monde. Or il ne peut pas voler par mauvais temps : son réservoir de carburant pourrait exploser si l'appareil était frappé par la foudre, rapporte le Daily Telegraph.

Un bug fâcheux : la Grande-Bretagne a commandé 48 bombardiers, et les Etats-Unis ont prévu d’équiper l’Air Force, la US Navy et le corps des marines de près de 2 500 JSF. Conçu pour être quasi indétectable par les radars, le F-35 ne passera pas inaperçu auprès du contribuable américain. Selon Foreign Policy, si l’on considère le cycle de vie complet de l’avion, son coût pourrait atteindre soit 1 500 milliards de dollars - plus que le PIB espagnol -, note Foreign Policy. Un peu chérot pour ne décoller que par beau temps.

04- Tsy rarahiany mihintsy aho! afaka mitory fitiavana ve ny vehivavy?


04-Fanotaniana : salut, misy olona tiako , kanefa izy tena tsy miraharaha ahy mihintsy , inona no ataoko ? miandry fotsiny ve ? afaka mitory fitia ve ny vehivavy raha hita fa tena sarokenatra ilay lehilahy ?

Ny mety aminao dia manotany ireo tanora izay mahalala tsara ny tantaran’i Rota, saingy ity misy torohevitra kely na izany aza ; tsy mety amin’ny fombantsika tantsinanana ny vehivavy mitory fitia mivantana, saingy azonao atao kosa ny manao izay ahatsapany fa tinao izy (mahaiza micharme e !) rarahio izy, akaikezo izy, resaho izy fa aza tazanina fotsiny, mety ho tena tia tokoa anie izy e, saingy mety izay fitiavany anao izay mihintsy  no « mampivoraka » azy ka mahatonga azy tsy mahavita na inona na inona. (Misy hiran’i mamanay izay taloha hoe « nataoko foana , noho ianao, izay ihaonantsika tamin’iny lalana iny ») dia ataovy izay hihaonana sy ahitany anao matetika e ! Mamonje fivoriana sy fety isan-karazany (ie ! tsy fahotana izany !) dia tandremo koa anefa sahisahy loatra fa « matahotra » vehivavy sahisahy ny lehilahy sasany… bonne chance !

08- Mamporafy izy kanefa saropiaro


07-fanotaniana : miaraka amin’olona aho, izy mamporafy, kanefa saropiaro…(V)

Matoa izy mamporafy dia tsy afa-po amin’ny fitiavanao izy izany, dia aza mamporafy toa azy ianao fa tsotra kely no ataovy : resaho izy, ka raha tena fanta-poko fanta-bahoaka kosa fa mamporafy izy  ka tsy zakanao mihintsy dia IALAO – ISARAHO. Aleo mamoy toa izay hampijaly tena. Fa tsy zakan’ny bandy mamporafy mihntsy izany hoe nisarahana izany.
Dia tandremo indray tonga dia miraparapa misarangotra amin’izay lehilahy tonga eo aminao voalohany eo fa mba maka aina dia maka saina ! zay ? Sa ianao isan’ireo vehivavy izay arakaraky ny hampijaliana azy no mampifikitra azy ?  Sure mihintsy fa misy tovolahy tsy mampirafy any sady tsy mampijaly, fa ianao no difotry ny fahoriana dia tsy mahita azy…
08- fanotaniana : Manana olana aho ry zareo, mbola mianatra aho sady lehilahy, ny olontiko kosa dia efa miasa, milaza izy fa tokony hatao ny mariazinay fa izy hono afaka miantoka ny rehetra… ?
Iza izany izao no manana olana ? ise sa izy ? Fa angaha r’ise ise tsy te hanambady azy ? ny tena marina dia efa te hanambady ilay vehivavy miaraka amin’ise fa tsy mety aminy na ny fianakaviany ilay mifapitarika lava (na mety misy antony hafa), koa inona no olana ? raha izy no hamelona sy hikarakara mandrapahatonga ny fianarana vita , aiza indray no hisy toa izany ? Na izany aza miresaha ihany dia lazao azy mazava izay tena ao am-pon’ise ,d aza complexé amin’izany hoe izy miasa, ise mbola mianatra izany e ! ny lehilahy foana no lohany ao antokatrano , na filoha repoblika aza ramatoa ! Ary sao dia misy manadala any ampiasana kosa ary izy, raha izay indray dia tsotra : ataovy malaky ny soratra, karakarao ny anareo roa e !

10- Sady mianatra no manao sipa


10- Fanotaniana : Afaka sady miaraka (manao sipa) ve no mianatra ihany koa ?

Miaraka ve ny Sipa sy ny fianarana ? izay no mazava kokoa, ny valiny dia tsotra : sady eny no tsia :
Raha ataonao manelingelina ny fianaranao ny fiarahanao (miady, variana, lany andro manao sms, mandrevy, mingitrika , manao…sns) dia hoy aho hoe : Ajanony kely aloha !Fa hiemotra amin’ny fianarana ianao atsy hoatsy.
Raha tsy izany kosa dia tsy hitako izay tsininy satria , tsy misaraka amin’ny fiainantsika tanora ny fitiavana any ampianarana sy any ampiangonana sns,
Raha classe d’examen kosa aloha ianao dia aleo misafidy dieny izao sao manenina, aleo ahato (ahena) kely ny « hetsika ara-pitiavana » rehetra  toy ny mampiaraka, ny mifandamoro eran’ny arret bus sy vodirindrina rehetra ireny ! Ajanony ireny, fa vitao aloha ny examen ! Raha samy kilasy mitovy ianaro no vao maika ho loza , raha izy afaka kanefa ianao tsy afaka, ilaozany eo ianao ka tsy hitovy intsony ny pro !
Raha manelingelina anao mandritra ny fifantoanao amin’ny fianaranao izy dia mety ho tsy tia anao akory izy izay na tsy mitady izay ahasoa anao fa maika amin’ny filàny sy ny fitiavantenany fotsiny, teneno mafy izy, na izany aza dia lazao azy fa fianarana no anton’izany ,ary  ianao dia tia azy ,fa sao dia lazainy fa te hisaraka eo ianao (fa tsimaintsy  izany foana aloha no « pasy » teneniny raha tsy micomprendre izy e !)
Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra
Zoky Andry