mardi 20 décembre 2011

03- Firy taona vao mahazo ?


03-Fanotaniana : Araka ny hevitrareo, Firy taona kay vao mahazo manao sipa ? (V)

Valiny: Tsy misy taona voafetra, saingy mila ny fankatoavan’ny raiamandreny sy mitandrina tsara ihany koa satria tsy mitovy ny mpisipa sy ny mpivady, (ohatra hoe : ny mpivady afaka mivady (manao firaisana), ny iray (mpisipa) tsy mahazo !) tandremo sao mangala-pinana fa tena « voasazy » a ! azo atao tsara , ny mitia olona mangina ao am-po fa tsy mbola miaraka aminy ! na ny mahita sy mifanena aminy fotsiny aza dia efa mahafinaritra :) J
Diniho tsara aloha fa aza maika, resaho amin’i Neny  izay lehilahy mahafinaritra anao, fa afaka manoro hevitra tsara izy. (ireo ankizivavy namanao mety ho lasa « concurrentes »  ka aleo tsy manotany azireo)
Tsy mahafaty sy tsy mahamenatra akory izany hoe tsy manana sipa e ! tsimaintsy tonga hoazy io ! Sady ny fitiavana dia tsy voatery ho mahafinaritra foana, fa indraindray aza dia gidragidra isanandro no iainana, tena mahakamo be sy manimba fianarana mihintsy matetika.
Tsara ihany koa ny mpinamana tsotra (fa tsy mifamboraka fitiavana) sady azo atao tsara izany eo amin’ny lehilahy sy vehivavy.
Aza mamoha na manaitra fitiavana raha tsy efa sitrapony ! Ahoana ? mbola ampiana toko sy andininy J

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire