02- fanotaniana : Olona
efa lehibe foana no matetika miaraka
amiko, fa maninona ? (V)
Vehivavy ianao ? matoa
olon-dehibe hatrany no miaraka aminao, dia mety hoe satria mila olona sahisahy
ianao na mila olona matotra na mpanambitamby (ho solon’i dada), na olona
manam-bola ! (aza malaky tezitra fa diniho ny teniko an !)
Tsy hitako izay olana raha mbola
mpitovo (selibatera) ilay olon-dehibe
lazainao ? Kanefa manahy aho fa
mety ho lehilahy efa manambady no matatetika miaraka aminao….
Tandremo fa manimba ny miaraka
amin’ny lehilahy efa manambady na efa manan-janaka,
Hatreo ny hoavinao, jereo ireo tovolahy na lehilahy mitovitovy promotion
taminareo, mino aho fa misy tena tia anao ao , fa ianao no tsy mahalala na
minia tsy mijery ireo bandikelin’ny tanàna. Koa midira fikambanana tanora, ovay
ny pôzy sao d manao pôzina madama be ianao (Jejo) ka tsy sahin’ny tanora
atonina akory na dia tiany aza ! (Hafa ihany ny « misakoroka » samy
tanora e !), Tandremo fa manimba pasipaoro ny fiarahana amin’ireny
olon-dehibe (manambady) ireny ! tena marina zan ! Sady tena fijangajangana mihintsy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire