01-Fanotaniana : Ahoana no ataoko fa tsy tian’i dadanay ilay miaraka amiko (efa ela) kanefa izahay mifankatia be, omeo torohevitra ry Zoky.
Voalohany indrindra : I dada sy neny dia tia anao, izay ahasambatra
anao no tadiaviny (tsy misy adihevitra izany na mety tsy hino aza isika)
Misy antony
matoa tsy tian’i dada izy, Raha azonareo atao dia fantaro io antony
io, raha tsy mety milaza izay antony
i (dada) dia torohevitra no omeko anareo, aleo adaboka ! ary ampahafantaro
an’i dada izany « fidabohany » izany. Aleo avalona dieny izao ny
tantara fandrao tratra antitra eo ianareo roa kanefa i dada tsy mety miova
hevitra mihintsy, izay no loza !
Raha antony ara-pivavahana kosa no tsy amelany anao hanambady ilay
olontinao (izany hoe tsy tiany ny fivavahanareo roa) dia mety misy vahaolana
ihany hirosoana amin’ny fanambadiana koa mila manantona ny mpitondra fivavahana
ao aminareo ianareo. (saingy i dada dia tsy maintsy ho tezitra foana indrindra raha
manao bontolo ianareo roa)
Raha sendra ka ny toetra kosa no
tsy tiany dia, mora ny mamaha ny olana, teneno ilay tovolahy na tovovavy mba
hiova raha tena tiany tokoa ny hitohizan’ny fiarahanareo.
Na inona na inona antony
hanakanany dia manoro hevitra ihany aho , aleo ajanona, fa i dada dia tia anao
foana, fa ny fitiavan’ity lehilahy na vehivavy ity tsy hay na hiova indray andro
any.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire