lundi 18 mars 2013

NY TAPAKA AMBANINAREO

Feno clip vetaveta ny telé eto Madagasikara, mihira avokoa ny bodo sy adala, manimba ny sain'ny dimby sy fara....
NY TAPAKA AMBANINAREO
Ity mampandihy fitombenana ity
Dia saim-betaveta kanefa
tsikaritra
Fa na dia maro aza ireo izay tsy tia
D’ireny no avoakan’ny fahitalavitra
Heverin’ny tompon’ny fahitalavitra
Ve fa ireny no tian’ny rehetra
Ka alefan’ny foana mba hahafinaritra
Hitaiza ny saina ho tia vetaveta
Adinon’ny tompon’ny fahitalavitra
Fa samy olom-pady no mijery eo?
Ity ary mba tsetsatsetra tsy aritra
Ireny ary ve no mba kantonareo?
Ity misy hafatra omeko zareo
Indrindra ho an’ny
mpandihinareo
Ny loha sy ny saina no hetsiketseho
Fa aza ny tapak’ambaninareo

Rado
19 Avril 2005.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire