vendredi 15 février 2013

Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena

Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena

Saika lany vetivety ireo fimailo teny amin'ireo mpivarotra enta-madinika sy magazay lehibe teto an-drenivohitra omaly. Ny fetin'ny mpifankatia no anton’izany.
Fetin'ny fitiavana, tombony ho an'ny rehetra. Tsara tsena ny fivarotana fimailo teny amin’ireo toeram-pivarotana enta-madinika sy magazay lehibe eto an-drenivohitra, omaly. Tsy nahitana izany intsony teny amin'ny ankamaroan'izy ireo omaly antoandro. Karazana fimailo vitsivitsy lafo vidy kosa indray sisa no tazana teny amin'ireo magazay lehibe.
« Somary nampitomboinay ny isan'ny boatina fimailo nalaina tany amin'ny mpamongady tamin'ny alatsinainy teo, satria efa nampoizinay ny fahalanian'izany vetivety androany (omaly) amin'ny maha- fetin'ny mpifankatia azy », raha ny fanamarihana nataon-dRaherinarindra Jacky, mpivarotra enta-madinika eny Antani­mena.
« Maro ireo efa nividy fimailo, omaly (tamin'ny alarobia), ary mbola maro ihany koa ireo naka ny anjarany androany (alakamisy). Izay no nahalany tsy nisy intsony ireo fimailo namidinay », hoy koa Andria­naivo Marcelline, mpiasa amina magazay iray lehibe eto an-drenivohitra, nanamafy izany.
Amin'ny ankapobeny dia saika ny tovolahy manodidina ny 15 hatramin'ny 38 taona no nividy fimailo. Tsy nisy nety namaly ny antony nilàny ny fimailo kosa ireo tovolahy sendra hita nividy izany rehefa nanontaniana.
 
Rendrarendran'ny tanora
Ho an'ny mpivady sasany efa niteraka sy efa niaina an-taona maro dia « rendrarendra ho an'ny tanora ny fankalazana ny andron'ny 14 febroary ho fetin'ny mpifantakia… Tsy tokony havahana ny andro fanehoana fitiavana fa mandeha ho azy araka ny voady ho mandra-maty efa natao », raha ny nambaran-dRahari­jaona Bien-Aimé sy Razafi­nirina Dina izay nivady nandritra ny fito taona.
« Fianarana mikolokolo ny fitiavana sy ny fifankatiavana mba haharitra ny fankalazana sy ny fanamarihina ny andron'ny mpifankatia isan-taona fa tsy rendrarendra velively. Antoka iray ahafahana manavao indray ny voady sy ny toky efa natao izany », hoy kosa Andrian­jafilambo Faniry, tovolahy iray.
Source :Volana Rakotoharimanana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire