lundi 18 mars 2013
lundi 11 mars 2013
NANAO BAOLINA NY MPANAO POLITIKA

Nihaona tamin'ny ekipan'ny malok'ila ny ekipan'ny mpanao politika, ary isan'ny nanadray anjara sy vedety tamin'izany i Pasitera Mailhol, hafakely indray iny!
valin'ny lalao? Resy 5 sy 1 ny mpanao politika, izay tsy nahagaga! hahaha!
izany i dadapasy izany hita amin'ny sary izany!
fa tena hetsika nahomby iny nataon'ny scoop digital iny, ary ketrika tena tsy nisy naharaka fa hay io nofinofy sy resadresaka io kay azo tanterahina a! (hoe manao ahoana re raha ny mpanao politika no manao baolina eo Mahamasina e? hay tanteraka tokoa,)
tsy tonga firy ny mouvance Ravalomanana, i Andry Rajoelina koa tokony mba nanao mpiandry but, d mba natsiro kokoa ny lalao!
vendredi 15 février 2013
Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena
Fetin’ny mpifankatia 2013, Ripaka ny fimailo teny an-tsena
Saika
lany vetivety ireo fimailo teny amin'ireo mpivarotra enta-madinika sy
magazay lehibe teto an-drenivohitra omaly. Ny fetin'ny mpifankatia no
anton’izany.
Fetin'ny
fitiavana, tombony ho an'ny rehetra. Tsara tsena ny fivarotana fimailo
teny amin’ireo toeram-pivarotana enta-madinika sy magazay lehibe eto
an-drenivohitra, omaly. Tsy nahitana izany intsony teny amin'ny
ankamaroan'izy ireo omaly antoandro. Karazana fimailo vitsivitsy lafo
vidy kosa indray sisa no tazana teny amin'ireo magazay lehibe.
« Somary nampitomboinay ny isan'ny boatina fimailo nalaina tany amin'ny mpamongady tamin'ny alatsinainy teo, satria efa nampoizinay ny fahalanian'izany vetivety androany (omaly) amin'ny maha- fetin'ny mpifankatia azy », raha ny fanamarihana nataon-dRaherinarindra Jacky, mpivarotra enta-madinika eny Antanimena.
« Maro ireo efa nividy fimailo, omaly (tamin'ny alarobia), ary mbola maro ihany koa ireo naka ny anjarany androany (alakamisy). Izay no nahalany tsy nisy intsony ireo fimailo namidinay », hoy koa Andrianaivo Marcelline, mpiasa amina magazay iray lehibe eto an-drenivohitra, nanamafy izany.
Amin'ny ankapobeny dia saika ny tovolahy manodidina ny 15 hatramin'ny 38 taona no nividy fimailo. Tsy nisy nety namaly ny antony nilàny ny fimailo kosa ireo tovolahy sendra hita nividy izany rehefa nanontaniana.

Rendrarendran'ny tanora
Ho an'ny mpivady sasany efa niteraka sy efa niaina an-taona maro dia « rendrarendra ho an'ny tanora ny fankalazana ny andron'ny 14 febroary ho fetin'ny mpifantakia… Tsy tokony havahana ny andro fanehoana fitiavana fa mandeha ho azy araka ny voady ho mandra-maty efa natao », raha ny nambaran-dRaharijaona Bien-Aimé sy Razafinirina Dina izay nivady nandritra ny fito taona.
« Fianarana mikolokolo ny fitiavana sy ny fifankatiavana mba haharitra ny fankalazana sy ny fanamarihina ny andron'ny mpifankatia isan-taona fa tsy rendrarendra velively. Antoka iray ahafahana manavao indray ny voady sy ny toky efa natao izany », hoy kosa Andrianjafilambo Faniry, tovolahy iray.

Vendredi 15 fevrier 2013,
lundi 11 février 2013
L'avion de combat le plus cher du monde
INSOLITE • L'avion de combat le plus cher du monde a du plomb dans l'aile

Un bug fâcheux : la Grande-Bretagne a commandé 48 bombardiers, et les Etats-Unis ont prévu d’équiper l’Air Force, la US Navy et le corps des marines de près de 2 500 JSF. Conçu pour être quasi indétectable par les radars, le F-35 ne passera pas inaperçu auprès du contribuable américain. Selon Foreign Policy, si l’on considère le cycle de vie complet de l’avion, son coût pourrait atteindre soit 1 500 milliards de dollars - plus que le PIB espagnol -, note Foreign Policy. Un peu chérot pour ne décoller que par beau temps.
04- Tsy rarahiany mihintsy aho! afaka mitory fitiavana ve ny vehivavy?
04-Fanotaniana : salut, misy olona
tiako , kanefa izy tena tsy miraharaha ahy mihintsy , inona no
ataoko ? miandry fotsiny ve ? afaka mitory fitia ve ny vehivavy raha
hita fa tena sarokenatra ilay lehilahy ?
Ny mety aminao dia manotany ireo tanora
izay mahalala tsara ny tantaran’i Rota, saingy ity misy torohevitra kely na
izany aza ; tsy mety amin’ny fombantsika tantsinanana ny vehivavy mitory
fitia mivantana, saingy azonao atao kosa ny manao izay ahatsapany fa tinao izy
(mahaiza micharme e !) rarahio izy, akaikezo izy, resaho izy fa aza
tazanina fotsiny, mety ho tena tia tokoa anie izy e, saingy mety izay fitiavany
anao izay mihintsy no
« mampivoraka » azy ka mahatonga azy tsy mahavita na inona na inona.
(Misy hiran’i mamanay izay taloha hoe « nataoko foana , noho ianao, izay
ihaonantsika tamin’iny lalana iny ») dia ataovy izay hihaonana sy ahitany
anao matetika e ! Mamonje fivoriana sy fety isan-karazany (ie ! tsy
fahotana izany !) dia tandremo koa anefa sahisahy loatra fa « matahotra »
vehivavy sahisahy ny lehilahy sasany… bonne chance !
08- Mamporafy izy kanefa saropiaro
07-fanotaniana : miaraka amin’olona aho, izy mamporafy, kanefa
saropiaro…(V)
Matoa izy mamporafy dia tsy afa-po amin’ny fitiavanao izy izany, dia aza
mamporafy toa azy ianao fa tsotra kely no ataovy : resaho izy, ka raha
tena fanta-poko fanta-bahoaka kosa fa mamporafy izy ka tsy zakanao mihintsy dia IALAO –
ISARAHO. Aleo mamoy toa izay hampijaly tena. Fa tsy zakan’ny bandy mamporafy
mihntsy izany hoe nisarahana izany.
Dia tandremo indray tonga
dia miraparapa misarangotra amin’izay lehilahy tonga eo aminao voalohany eo fa mba
maka aina dia maka saina ! zay ? Sa ianao isan’ireo vehivavy izay
arakaraky ny hampijaliana azy no mampifikitra azy ? Sure mihintsy fa misy tovolahy tsy mampirafy
any sady tsy mampijaly, fa ianao no difotry ny fahoriana dia tsy mahita azy…
08- fanotaniana : Manana olana aho ry zareo, mbola mianatra aho
sady lehilahy, ny olontiko kosa dia efa miasa, milaza izy fa tokony hatao ny
mariazinay fa izy hono afaka miantoka ny rehetra… ?
Iza izany izao no manana olana ? ise sa izy ? Fa angaha r’ise
ise tsy te hanambady azy ? ny tena marina dia efa te hanambady ilay
vehivavy miaraka amin’ise fa tsy mety aminy na ny fianakaviany ilay
mifapitarika lava (na mety misy antony
hafa), koa inona no olana ? raha izy no hamelona sy hikarakara
mandrapahatonga ny fianarana vita , aiza indray no hisy toa izany ? Na
izany aza miresaha ihany dia lazao azy mazava izay tena ao am-pon’ise ,d aza
complexé amin’izany hoe izy miasa, ise mbola mianatra izany e ! ny
lehilahy foana no lohany ao antokatrano , na filoha repoblika aza
ramatoa ! Ary sao dia misy manadala any ampiasana kosa ary izy, raha izay
indray dia tsotra : ataovy malaky ny soratra, karakarao ny anareo roa
e !
10- Sady mianatra no manao sipa
10- Fanotaniana : Afaka sady miaraka (manao sipa) ve no mianatra
ihany koa ?
Miaraka ve ny Sipa sy ny fianarana ? izay no mazava kokoa, ny
valiny dia tsotra : sady eny no tsia :
Raha ataonao manelingelina ny fianaranao ny fiarahanao (miady, variana,
lany andro manao sms, mandrevy, mingitrika , manao…sns) dia hoy aho hoe :
Ajanony kely aloha !Fa hiemotra amin’ny fianarana ianao atsy hoatsy.
Raha tsy izany kosa dia tsy hitako izay tsininy satria , tsy misaraka
amin’ny fiainantsika tanora ny fitiavana any ampianarana sy any ampiangonana
sns,
Raha classe d’examen kosa aloha ianao dia aleo misafidy dieny izao sao
manenina, aleo ahato (ahena) kely ny « hetsika ara-pitiavana »
rehetra toy ny mampiaraka, ny mifandamoro eran’ny arret bus sy
vodirindrina rehetra ireny ! Ajanony ireny, fa vitao aloha ny
examen ! Raha samy kilasy mitovy ianaro no vao maika ho loza , raha izy
afaka kanefa ianao tsy afaka, ilaozany eo ianao ka tsy hitovy intsony ny
pro !
Raha manelingelina anao mandritra ny fifantoanao amin’ny fianaranao izy
dia mety ho tsy tia anao akory izy izay na tsy mitady izay ahasoa anao fa maika
amin’ny filàny sy ny fitiavantenany fotsiny, teneno mafy izy, na izany aza dia
lazao azy fa fianarana no anton’izany ,ary
ianao dia tia azy ,fa sao dia lazainy fa te hisaraka eo ianao (fa
tsimaintsy izany foana aloha no
« pasy » teneniny raha tsy micomprendre izy e !)
Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra
Zoky Andry
Zoky Andry
Inscription à :
Articles (Atom)