lundi 30 juillet 2012

Filàna ara-nofo sy lalao olaimpika 2012 !

lahatsoratra hitako tamin'ny blog gazety avy lavitra ity ry zareo, mahazendana kanefa dia zava-marina!!

Ny Medalin’ny Filàn’ny Nofo Sy Ny Lalao Olaimpika Atsy Londona (#Londres2012)

Maro amin’ireo efa goaika antitra amin’ny fiatrehana itony lalao avo lenta amin’ny sehatra iraisam-pirenena itony no mijoro vavolombelona fa tsy mifanary tokoa ny resaka filan’ny nofo sy ny lalao olaimpika.
Aza diso hevitra ka mety hieritreritra hoe mety ho mandritra ny lalao olaimpika fanao rehefa andro ririnina ihany no hitrangan’izany. Tsia, fa rehefa mety ho lalao Olaimpika nisy, ary mbola ‘hisy’ koa aza.
Asa na noho io antony io no nahatonga an’i Pierre de Courbertin nandà mafy ny tsy hampandraisana anjara ny vahivavy tamin’ity lalao ity tany am-piandohana. Mety efa ho àrany tamin’izany fotoana fa be no tsy hahafehy fakam-panahy, tsy ny lahy ihany, fa ny vavy indrindra koa.
Tamin’ny 1992 rehefa nikarakara ny lalao tany Barcelone ny tompon’andraikitra, dia nanapa-kevitra ny hametraka fimailo ho isan’ny fitaovana fototra ilain’ireo mpifaninana.
Ahoana tokoa moa? Tovolahy sy tovovavy am’aliny no hifanerasera aminà faritra mihidy mandritra ny andro maro hanatanterahana ny lalao. Tsy maintsy ho teraka ao ny fifankahazoana, ny hala-pitia sy ny handran-tsira isan-karazany. Mba miala amin’ny rò matsatso, mifindra amin’ny be saosy vinaingitra e.
Fantatrao ary ve fa tamin’ny :
lalao Olaimpika 2000  dia nasiana fimailo isaky ny rihana, ary tsy nisy herinandro iray akory dia najifa ireo 70.000 isa napetraka voalohany. Voatery nampiana 20.000 izany, izay mbola tsy ampy niandrasana ny fiafaran’ny lalao rehetra koa aza avy eo.
tany  Athènes izay nahitàna mpandray anjara niisa 10.490 dia fimailo 130.000 no tsy nisy niangana
tamin’ny lalao fanao rehefa ririnina tamin’ny 2002, tany Salt Lake City, dia fimailo 250.000 no lany, ary tsy maintsy nosesehana isaky ny ora 2 ireo milina mpitsinjara izany fa tsy naharaka
Ao amin’ny tranonkalan’ny ESPN no ahitàna ny fanambaran’i Hope Solo, vehivavy mpiandry tsato-kazon’ny ekipan’i Etazonia, baolina kitra vehivavy tamin’ny taona 2008 tao Pekin, ary nahazo medaly volamena fa :
« Betsaka tokoa ny firaisana ara-nofo mandritra ny  JO ».
Amafisin’i Ryan Lochte, mpilomano mitana ny anaram-boninahitra erantany tonga amin’ny fandraisana anjarany fanintelony amin’ny lalao ao Londona ankehitriny :
« Ataoko hoe mety ho eo amin’ny  70 hatramin’ny 75 % amin’ireo mpanao fanatanjahantena amin’ny JO no tafalatsaka amin’izany»…« Rehefa tsy mahafehy tena ianao, dia tena ho zava-mavesatra ny lalao »
Amin’ity fihaonana any Londona 2012 ity dia efa nasian’ireo mpikarakara fimailo daholo eny amin’ny latabatra kely an-dohafandrian’ireo mpandray anjara ka 150.000 no isan’ireo fimailo efa nomanina ary tsy ambanin’izany ny fitaovana fitiliana sao mitondra vohoka ny vehivavy.
Zavatra iray manampy trotraka azy ity koa moa ny fisian’ireo toeram-pilanonana sy fandraisana alikaola mitobaka ao anatin’ny faritra natao handraisana ireo mpandray anjara.
Be ny ho diso fanantenana fa na teo aza ny taona maro niezahana ho tonga amin’ity fihaonambe erantany ity,  noho ny fikatsahana ny medalin’ny firaisana dia tsy hitondra medalin’ny lalao mody an-tanindrazana. Tsy hita omen-tsiny rahateo ry zareo fa olombelona ihany eeee! Mety ho solafaka fa malàma maina ny tany ary misy ny lenalena mety hampibolisatra. Kanefa tandremo ihany zalahy an, somary teritery hono ny fandrianareo ao Londona ao, ka sao hanaotao foana tahaka azy mitsamy tany  Pékin, naleony nankeny ambonin’ny bozaky ny kianja filalaovana. Tsy asiana resaka intsony ny ara-pahasalamàna. Enga anie mba ho hendry ny mpandray anjara avy aty Madagasikara (#Madagascar)
source :   gazetyavylavitra

vendredi 20 juillet 2012

Mety ahemotra ny JNJA nasionaly, miomàna fa hisy kosa ny JJA 2012 hoan'ny rezionaly TANA

Araka ny vaovao farany dia mety ahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fihaonambe nasionalin'ny tanora JNJA izay saika hatao amin'ny volana Septambra,
na izany aza dia sambatra isika eto Antananarivo sy ny manodidina, fa efa eo ampiketrehana ny JJA 2012 hoan'ny Rezionaly Antananarivo izao ny mpiara-miasa
ahitana ny : Oliva Rezionaly - Ny club isika tanora - Ny Oliva Itaosy sns

lundi 4 juin 2012

NY ANDININDININY MIKASIKA NY JNJA 2012

1.    Inona izany hoe JJA?
Ny JJA (Journée des Jeunes Apocalypse) na andron'ny tanora Apokalypsy,dia hetsika lehibe anakiray izay natomboka teto Antananarivo tamin'ny 20 Nov 2011 tao Analamanga Parc, 700 isa ireo tanora tonga nanatrika tamin'io hetsika voalohany natao io.

2.    Inona izany hoe JNJA?
Amin'ity taona 2012 ity dia iandreketan'ny Nasionaly Sampana Tanora ny fikarakarana ny JJA ka nanjary hoe JNJA no iantsoana azy, izany hoe natao ho Nasionaly ny hetsika amin'ity taona 2012 ity, mba ahafahan'ireo tanora Apokalypsy marenana ny nosy handray anjara feno.

3.    Inona no tanjon'ny hetsika?
Firaisan-kina sy fitiavana, fifandraisan'ny samy tanora Apokalypsy manerana ny nosy, ary fotoana hialàna voly sy hifaneraserana ihany koa, hifampaherezana sy hifampitàna traikefa.
4.    Iza avy no mpandray anjara amin'ity JNJA 2012 ity?
Ny zatovo sy ny tanora rehetra feno 15 taona manerana ny nosy , na mpikambana rantsana skoto na oliva izy na tsia, rehefa mpikambana Apokalypsy (resy lahatra F.A.M) dia afaka mamonjy ny JNJA avokoa.

5.    Aiza no atao ny JNJA ary rahoviana?
Ao Antananarivo no atao ny JNJA 2012. ary ny 05 – 06 – 07 – 09 Septambra 2012 izao
6.    Inona avy ny zavatra hisy mandritra izany hetsika izany?
Hetsika ara-kolontsaina toy ny festival , fampisehoana sns
Hetsika ara-panatanjahantena: foot, basket, sns
Fialamboly : fitsangatsanganana
Seminera lehibe hoan'ny tanora loha-hevitra "Ny tombam-bidin'ny Tanora Apokalypsy

7.    Inona no takiana amin'ny mpandray anjara:
Baiboly, fitaovam-panoratana, lamba firakotra, fitaovam-pidiovana
vary 3kg isan'olona
vola 60.000 fmg na 12.000 Ar
>Manomboka ny andron'ny 05 septambra no raisina an-tanana ny mpandray anjara rehetra.

8.    Inona no tokony hatao dieny izao?
Samia mandrafitra ny lisitry ny tanora izay handeha isam-piangonana ianareo mpiandraikitra, ahitana ny anarany, ny taonany, ary ny adiresy sy n* tel raha misy , mariho na lahy na vavy. (asiana sonian'ny filoham-piangonana nihaviana ilay lisitra)

Alefa aty amin'ny foibe FAM, mialohan'ny Talata 31 Jolay (daty farany)  ny  lisitr'ireo mpandray anjara isam-piangonana, Asio fanamarihana hoe "JJA 2012 –lisitra fiangonana nihaviana."

Tanora eo amin'ny 1500 isa manerana ny  nosy no hoavy amin'io fotoana io, koa samia mifanentana sy mifampilaza, ary miomana dieny izao !

Aza hadino : Ny 31 Jolay 2012 no farany fandraisana ny lisitry ny tanora misy ny anarana sy ny fiangonana niaviana avy aty amin'ny faritany
Hisy Tshirt, Casquettes sns azo vidina hatao fahatsiarovana !!

Zoky Andry

jeudi 31 mai 2012

Journée National des Jeunes Apocalypse

Tonga indray ity ny fotoana ihaonantsika tanora Apokalypsy rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanomboka ny 05 Septambra 2012 ho avy izao, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 09 Septambra 2012 ny JNJA na Journée Nationale des Jeunes Apocalypse. Andro natokana ho antsika tanora izy io ary ny Sampana Tanora Nasionaly no miandraikitra ny fanatontosana azy.

Fotoana ahafahantsika mifanerasera, miala voly, mampitombo ny firaisan-kina sy ny fitiavana eo amintsika tanora Apokalypsy ny JNJA. Asaina andray anjara amin’izany avokoa ny zatovo sy tanora Apokalypsy rehetra feno 15 taona, na ny eto Madagasikara izany, na isika aty ampitan-dranomasina. Mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny JNJA dia maro be ireo hetsika ahafahantsika mandray anjara: hetsika ara-kolontsaina toy ny festival sy ny fampisehoana, ny fanatajahan-tena (tournoi de basket, foot, volley, pétanque sns), ny fialamboly maro samihafa ary ny seminera ho antsika tanora.

Eto Antananarivo no hatao ny hetsika ary ao amin’ny Lycée Technique Alarobia isika no mivantana. Aza adinoina ny mitondra vary 3kg sy vola 12.000 Ar na 60.000 fmg. Dieny izao àry dia soraty any amin’ny mpiandraikitra tanora eo amin’ny fiangonana Apokalypsy misy anao ny anaranao. Aza adinoina fa amin’ny 30 Jolay 2012 no fara fandraisana ny lisitr’ireo tanora handray anjara amin’ny hetsika. Amin’ny 05 Septambra izany no fotoana koa samia miomana ary entano avokoa ny namana rehetra fa tanora mihisa 1500 no hanatrika io fotoan-dehibe io ka hanenina izay tsy ho avy! Hiaraka amintsika amin’izany rahateo ny Pasteur Mailhol.

“Koa tanteraho ny fifaliako, ny mba hiraisanareo saina”

mardi 20 décembre 2011

11- Miaraka kanefa mifanalavitra be!


Mety ve ny miaraka kanefa mifanalavitra ve ny toerana ?

« …Bonsoir ianareo ! Saika mba hanotany fotsiny zah, ry zoky hoe, mety ve kay izany olona 2 miaraka nefa tena mifanalavitra be mihintsy ny toerana ? misaotra , dia bonne nuit ianaero… »

Izay no fanotaniana nalefan’ny namantsika anakiray, ka izao no mety ho valiny….
Anisan’ny olana sedrain’ny mpifankatia ny fisarahan-toerana, Ny hilazàna hoe mety ve sa tsy mety ve izany dia miankina aminareo na ny anakiray aminareo roa ihany ! 

Raha olona nivahiny teo aminao no niarahanao kanefa tsy maintsy hiverina any an-tany lavitra misy azy izy, dia hoy aho hoe « ho sahirana ianareo », fa « nankatia vahiny hono, ka mbola tia dia ilaozany » (Ohabolana Gasy io). Ny fiarahana dia dingana iray hifankafantarana sy hanomanana ny tokatrano, ahitana fifampiresahana, fifanampiana sy fifankafantarana ary fifampikasohana ihany koa… koa raha lavitra be ny elanelana dia « malaza tsy ihinana toy ny vilian-tsahona » fotsiny ilay fiarahana, tsimaintsy hisy anakiray ho matiantoka eo, na ianao na izy !.