Affichage des articles dont le libellé est RADIO FANAMBARANA. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est RADIO FANAMBARANA. Afficher tous les articles

mardi 21 août 2012

MIDER'AZY VITA BACC

Migadona indray ity ny andiany fahatelo amin'ny hetsika Mider'Azy vita BACC, izay fanaon'ny AJA, ary amin'ity indray mitoraka ity dia ao amin'ny dome RTA no atao ny hetsika ary iarahana amin'ny artista malaza sy sangany amin'ny hira fiderana: TGC sy Antsa an'i Kristy, iarahana amin'ny Groupe Pray'f
manasa antsika fa tena raitra ity hetsika ity, mihoatra lavitra an'ireo natao teo aloha (Voalohany tao amin'ny Gymnase Mahamasina, faharoa tao amin'ny Foibe FAM,)

mahafinaritra sy mahavariana ahy ny fomba fiasan'ireto ekipa mikarakara ny andiany fahatelo ireto!! tena miaiky aho e! Bravo Jean Pierre sy ny ekipany e!

jeudi 31 mai 2012

Journée National des Jeunes Apocalypse

Tonga indray ity ny fotoana ihaonantsika tanora Apokalypsy rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanomboka ny 05 Septambra 2012 ho avy izao, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 09 Septambra 2012 ny JNJA na Journée Nationale des Jeunes Apocalypse. Andro natokana ho antsika tanora izy io ary ny Sampana Tanora Nasionaly no miandraikitra ny fanatontosana azy.

Fotoana ahafahantsika mifanerasera, miala voly, mampitombo ny firaisan-kina sy ny fitiavana eo amintsika tanora Apokalypsy ny JNJA. Asaina andray anjara amin’izany avokoa ny zatovo sy tanora Apokalypsy rehetra feno 15 taona, na ny eto Madagasikara izany, na isika aty ampitan-dranomasina. Mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny JNJA dia maro be ireo hetsika ahafahantsika mandray anjara: hetsika ara-kolontsaina toy ny festival sy ny fampisehoana, ny fanatajahan-tena (tournoi de basket, foot, volley, pétanque sns), ny fialamboly maro samihafa ary ny seminera ho antsika tanora.

Eto Antananarivo no hatao ny hetsika ary ao amin’ny Lycée Technique Alarobia isika no mivantana. Aza adinoina ny mitondra vary 3kg sy vola 12.000 Ar na 60.000 fmg. Dieny izao àry dia soraty any amin’ny mpiandraikitra tanora eo amin’ny fiangonana Apokalypsy misy anao ny anaranao. Aza adinoina fa amin’ny 30 Jolay 2012 no fara fandraisana ny lisitr’ireo tanora handray anjara amin’ny hetsika. Amin’ny 05 Septambra izany no fotoana koa samia miomana ary entano avokoa ny namana rehetra fa tanora mihisa 1500 no hanatrika io fotoan-dehibe io ka hanenina izay tsy ho avy! Hiaraka amintsika amin’izany rahateo ny Pasteur Mailhol.

“Koa tanteraho ny fifaliako, ny mba hiraisanareo saina”