| 1. Inona izany hoe JJA? Ny JJA (Journée des Jeunes Apocalypse) na andron'ny tanora Apokalypsy,dia hetsika lehibe anakiray izay natomboka teto Antananarivo tamin'ny 20 Nov 2011 tao Analamanga Parc, 700 isa ireo tanora tonga nanatrika tamin'io hetsika voalohany natao io. 2. Inona izany hoe JNJA? Amin'ity taona 2012 ity dia iandreketan'ny Nasionaly Sampana Tanora ny fikarakarana ny JJA ka nanjary hoe JNJA no iantsoana azy, izany hoe natao ho Nasionaly ny hetsika amin'ity taona 2012 ity, mba ahafahan'ireo tanora Apokalypsy marenana ny nosy handray anjara feno. 3. Inona no tanjon'ny hetsika? Firaisan-kina sy fitiavana, fifandraisan'ny samy tanora Apokalypsy manerana ny nosy, ary fotoana hialàna voly sy hifaneraserana ihany koa, hifampaherezana sy hifampitàna traikefa. 4. Iza avy no mpandray anjara amin'ity JNJA 2012 ity? Ny zatovo sy ny tanora rehetra feno 15 taona manerana ny nosy , na mpikambana rantsana skoto na oliva izy na tsia, rehefa mpikambana Apokalypsy (resy lahatra F.A.M) dia afaka mamonjy ny JNJA avokoa. 5. Aiza no atao ny JNJA ary rahoviana? Ao Antananarivo no atao ny JNJA 2012. ary ny 05 – 06 – 07 – 09 Septambra 2012 izao 6. Inona avy ny zavatra hisy mandritra izany hetsika izany? Hetsika ara-kolontsaina toy ny festival , fampisehoana sns Hetsika ara-panatanjahantena: foot, basket, sns Fialamboly : fitsangatsanganana Seminera lehibe hoan'ny tanora loha-hevitra "Ny tombam-bidin'ny Tanora Apokalypsy 7. Inona no takiana amin'ny mpandray anjara: Baiboly, fitaovam-panoratana, lamba firakotra, fitaovam-pidiovana vary 3kg isan'olona >Manomboka ny andron'ny 05 septambra no raisina an-tanana ny mpandray anjara rehetra.vola 60.000 fmg na 12.000 Ar 8. Inona no tokony hatao dieny izao? Samia mandrafitra ny lisitry ny tanora izay handeha isam-piangonana ianareo mpiandraikitra, ahitana ny anarany, ny taonany, ary ny adiresy sy n* tel raha misy , mariho na lahy na vavy. (asiana sonian'ny filoham-piangonana nihaviana ilay lisitra) Alefa aty amin'ny foibe FAM, mialohan'ny Talata 31 Jolay (daty farany) ny lisitr'ireo mpandray anjara isam-piangonana, Asio fanamarihana hoe "JJA 2012 –lisitra fiangonana nihaviana." Tanora eo amin'ny 1500 isa manerana ny nosy no hoavy amin'io fotoana io, koa samia mifanentana sy mifampilaza, ary miomana dieny izao ! Aza hadino : Ny 31 Jolay 2012 no farany fandraisana ny lisitry ny tanora misy ny anarana sy ny fiangonana niaviana avy aty amin'ny faritany Hisy Tshirt, Casquettes sns azo vidina hatao fahatsiarovana !! Zoky Andry |
lundi 4 juin 2012
NY ANDININDININY MIKASIKA NY JNJA 2012
jeudi 31 mai 2012
Journée National des Jeunes Apocalypse
Tonga indray ity ny fotoana ihaonantsika tanora Apokalypsy rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanomboka ny 05 Septambra 2012 ho avy izao, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 09 Septambra 2012 ny JNJA na Journée Nationale des Jeunes Apocalypse. Andro natokana ho antsika tanora izy io ary ny Sampana Tanora Nasionaly no miandraikitra ny fanatontosana azy.
Fotoana ahafahantsika mifanerasera, miala voly, mampitombo ny firaisan-kina sy ny fitiavana eo amintsika tanora Apokalypsy ny JNJA. Asaina andray anjara amin’izany avokoa ny zatovo sy tanora Apokalypsy rehetra feno 15 taona, na ny eto Madagasikara izany, na isika aty ampitan-dranomasina. Mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny JNJA dia maro be ireo hetsika ahafahantsika mandray anjara: hetsika ara-kolontsaina toy ny festival sy ny fampisehoana, ny fanatajahan-tena (tournoi de basket, foot, volley, pétanque sns), ny fialamboly maro samihafa ary ny seminera ho antsika tanora.
Eto Antananarivo no hatao ny hetsika ary ao amin’ny Lycée Technique Alarobia isika no mivantana. Aza adinoina ny mitondra vary 3kg sy vola 12.000 Ar na 60.000 fmg. Dieny izao àry dia soraty any amin’ny mpiandraikitra tanora eo amin’ny fiangonana Apokalypsy misy anao ny anaranao. Aza adinoina fa amin’ny 30 Jolay 2012 no fara fandraisana ny lisitr’ireo tanora handray anjara amin’ny hetsika. Amin’ny 05 Septambra izany no fotoana koa samia miomana ary entano avokoa ny namana rehetra fa tanora mihisa 1500 no hanatrika io fotoan-dehibe io ka hanenina izay tsy ho avy! Hiaraka amintsika amin’izany rahateo ny Pasteur Mailhol.
“Koa tanteraho ny fifaliako, ny mba hiraisanareo saina”
