mardi 20 décembre 2011

11- Miaraka kanefa mifanalavitra be!


Mety ve ny miaraka kanefa mifanalavitra ve ny toerana ?

« …Bonsoir ianareo ! Saika mba hanotany fotsiny zah, ry zoky hoe, mety ve kay izany olona 2 miaraka nefa tena mifanalavitra be mihintsy ny toerana ? misaotra , dia bonne nuit ianaero… »

Izay no fanotaniana nalefan’ny namantsika anakiray, ka izao no mety ho valiny….
Anisan’ny olana sedrain’ny mpifankatia ny fisarahan-toerana, Ny hilazàna hoe mety ve sa tsy mety ve izany dia miankina aminareo na ny anakiray aminareo roa ihany ! 

Raha olona nivahiny teo aminao no niarahanao kanefa tsy maintsy hiverina any an-tany lavitra misy azy izy, dia hoy aho hoe « ho sahirana ianareo », fa « nankatia vahiny hono, ka mbola tia dia ilaozany » (Ohabolana Gasy io). Ny fiarahana dia dingana iray hifankafantarana sy hanomanana ny tokatrano, ahitana fifampiresahana, fifanampiana sy fifankafantarana ary fifampikasohana ihany koa… koa raha lavitra be ny elanelana dia « malaza tsy ihinana toy ny vilian-tsahona » fotsiny ilay fiarahana, tsimaintsy hisy anakiray ho matiantoka eo, na ianao na izy !.

09- Mankaleo be ny ato an-trano


09-fanotaniana :Te hiala ato antranonay aho, fa leo be ! inona no ataoko ?

Sarotra be izany resaka izany, inona ilay mankaleo anao ? fahantrana ? adilava ? bedy ? Samy mizaka an’izany daholo, na izahay taloha aza ! fa izao :
Andraso kely aloha, aleo miresaka, resaho amin’i Neny na i Dada, na mpanabe na havana akaiky fa misy olana be zany ao matoa misy anakiray tsy tamana. Tsy afaka manoro hevitra firy izahay satria tsy ampy ilay fanazavana , fa tsotra ihany no lazaina : Tandremo , aza manao izany ! fa ho loza kokoa ny manjo raha miala tao ianao ! Aleo miresaka sy mitady sosokevitra any amin’ny olona (namana, mpanabe, havana sns)

07- Tsy mety hadinoko ilay voalohany


07-tsy apokalypsy aho, fa mpanaraka ny emission nareo matetika, izao ny olako, efa manambady aho kanefa tsy mety hadinoko mihintsy ilay sipako voalohany ! (lehilahy aho)

Woaouuu ! vehivavy no matetika tratran’izany olana izany, fa sambasamba vao nisy lehilahy. Misaotra ihany koa fa mba tena tsy mialonjafy marina ny radio fanambarana.
Izao r’ise a ! Tsy voatery ho hadino avokoa akory ireo olona izay niarahana fahiny ! fa indraindray mba tsaroana ihany, saingy tandremo sao mampihena ny fitiavanao ny vadinao izany, na koa mahatonga anao handeha hijangajanga, marina fa J.K irery ihany no mahavaha mivantana ny olana, saingy ireto misy torohevitra tsotra mety ahatonga anao hitia bebe kokoa ny vadinao :
Diniho tsara ny vadinao, fantaro ireo zavatra mahafinaritra (REHETRA) ataony anao , na ireo toetra mahafinaritra itiavanao azy , izay tinao hatao tamin’ilay sipanao taloha dia ataovy amin’ny vadinao kosa, dia ISAORY ny tompo hoe « misaotra anao aho ry Tompo fa nomenao ity vadiko ity, fa fantatro fa matoa ity no lasa vadiko dia satria izay no tena mahasambatra ahy, fa mety ho idiran-doza na ho ratsy noho izao  sns aho raha ilay sipako taloha no lasa vadiko) mdr ! mba sangy ny ahy e ! fa matoa ianareo roa no tsy nivady dia satria hoy ny Tompo hoe : tsy mety ! » Fa ilay vadinao izao no tena « am le Oui » ho anao ! ankafizo izy e ! dia ho hadinonao tsikelikely ilay talou !

06-Mahazo miaraka amin'ny tsy mpiara-mivavaka?


05- Fanotaniana : Zoky a ! mahazo miaraka amin’ny olona tsy mpiara-mivavaka ve ? sady vitsy loatra ny lehilahy ato..

Ianao kosa e ! mbola betsaka no tsy manambady ato, ary betsaka amin’izireo no  « bandy bôgôsy sady be detanty »  fa aza maika manary toky, mahita bandy mahafinaritra any ivelany indray dia mitady excuse a !
Aza manao an’izany moa e, Mbola ho tafita anie ireo bandikelintsika ireo e !

05-Fa maninona no mbola misy mamporafy foana?


05-Fanotaniana : Fa maninona ny vehivavy na ny lehilahy … kristiana… no mbola misy mamporafy foana ?

Tsy hoe rehefa mpivavaka Kristiana dia azo itokisana daholo, ary koa ny olona mamporafy ao ampiangonana dia tahaka ny olona mpandainga , mpankahala olona, snsns ihany koa, tsy maintsy misy ny toa izany na fiangonana aiza no alehanao na fiangonana aiza... (ary azo sitranina tsara anefa izany toetra izany)
Ny fanotaniana tokony hipetraka izao dia ny hoe « inona no ataoko mba ahatonga ny olontiako tsy hamporafy ahy ? » kanefa mbola lavalava ny valin’izay fa jereo any amin’ny article hafa any ! Risque ny mitia e ! d ankino amin’Jesosy Kristy ny fiainana fa izy afaka « miaro izay anjaranao » araka ilay hira fanao isaky ny tso-drano iny hoe « arovy tsy ho very izay anjarako »!

03- Firy taona vao mahazo ?


03-Fanotaniana : Araka ny hevitrareo, Firy taona kay vao mahazo manao sipa ? (V)

Valiny: Tsy misy taona voafetra, saingy mila ny fankatoavan’ny raiamandreny sy mitandrina tsara ihany koa satria tsy mitovy ny mpisipa sy ny mpivady, (ohatra hoe : ny mpivady afaka mivady (manao firaisana), ny iray (mpisipa) tsy mahazo !) tandremo sao mangala-pinana fa tena « voasazy » a ! azo atao tsara , ny mitia olona mangina ao am-po fa tsy mbola miaraka aminy ! na ny mahita sy mifanena aminy fotsiny aza dia efa mahafinaritra :) J
Diniho tsara aloha fa aza maika, resaho amin’i Neny  izay lehilahy mahafinaritra anao, fa afaka manoro hevitra tsara izy. (ireo ankizivavy namanao mety ho lasa « concurrentes »  ka aleo tsy manotany azireo)
Tsy mahafaty sy tsy mahamenatra akory izany hoe tsy manana sipa e ! tsimaintsy tonga hoazy io ! Sady ny fitiavana dia tsy voatery ho mahafinaritra foana, fa indraindray aza dia gidragidra isanandro no iainana, tena mahakamo be sy manimba fianarana mihintsy matetika.
Tsara ihany koa ny mpinamana tsotra (fa tsy mifamboraka fitiavana) sady azo atao tsara izany eo amin’ny lehilahy sy vehivavy.
Aza mamoha na manaitra fitiavana raha tsy efa sitrapony ! Ahoana ? mbola ampiana toko sy andininy J

02- Olona efa lehibe foana no miaraka amiko...


02- fanotaniana : Olona efa  lehibe foana no matetika miaraka amiko, fa maninona ? (V)

Vehivavy ianao ? matoa olon-dehibe hatrany no miaraka aminao, dia mety hoe satria mila olona sahisahy ianao na mila olona matotra na mpanambitamby (ho solon’i dada), na olona manam-bola ! (aza malaky tezitra fa diniho ny teniko an !)
Tsy hitako izay olana raha mbola mpitovo (selibatera)  ilay olon-dehibe lazainao ? Kanefa manahy  aho fa mety ho lehilahy efa manambady no matatetika miaraka aminao….
Tandremo fa manimba ny miaraka amin’ny lehilahy efa manambady na efa manan-janaka,
Hatreo ny hoavinao, jereo ireo tovolahy na lehilahy mitovitovy promotion taminareo, mino aho fa misy tena tia anao ao , fa ianao no tsy mahalala na minia tsy mijery ireo bandikelin’ny tanàna. Koa midira fikambanana tanora, ovay ny pôzy sao d manao pôzina madama be ianao (Jejo) ka tsy sahin’ny tanora atonina akory na dia tiany aza ! (Hafa ihany ny « misakoroka » samy tanora e !), Tandremo fa manimba pasipaoro ny fiarahana amin’ireny olon-dehibe (manambady) ireny ! tena marina zan ! Sady  tena fijangajangana mihintsy.